<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Blaenwern</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy mba tantàno,
 Ho tafita soa arý
 Ka ambeno sy sakano
 Izay rehetra loza atý.
 Rano be mangeniheny
 Izao alehako izao,
 Ka aoka Hianao hiteny
 Mba ho tokiko hatrao.

[V2]
 Aza miandry ao am-pita
 Sao dia fefika aho atý ;
 Fa avia hiara-mita,
 Dia ho tody soa arý.
 Raha sendra ka manonja
 Izany alon-drano be,
 Aoka Hianao ho tonga
 Hampitony azy re.

[V3]
 Ao ny rivotra mahery
 Mety hampivadi-po,
 Fa ny feonao irery
 Mampisava ny manjo
 Any koa ny vatolampy,
 Sy ny biby maro be.
 Fa ny herinao dia ampy,
 Ka vonjeo ny zanakao.

[V4]
 Ry Jesosy ! Mihainoa,
 Izao fivavako izao,
 Mijoroa, misehoa,
 Ka jereo ny diako izao ;
 Mbola lavitra ao am-pita
 Ka tsy hita izay hanjo,
 Toy ilay tao Genesareta,
 Misehoa Hianao !</lyrics>
<title>Ry Jesosy mba tantano FFPM630</title>
<hymn_number>630</hymn_number>
</song>